Tany Betlehema fahiny Nisy Zaza teraka ; Tonga toy ny mpivahiny, Nefa tena Zanaka, Izy no Jesosinay, Ka mba raiso ho anao ! Ao ny lapa feno haja Nisy Azy fahizay ; Saotra, dera aman-daza Teo anatrehan-dRay, Izany no nilaozany Hamonjena ny atý. Zaza tsy nanota izy, Nefa Zaza toa anao ; Koa raisinao rankizy, Mba ho tena havanao ; Ary mba arahonao Izay fanaony hitanao ! Raha hianao tomany, Izy hampangina anao, Izy koa hampahamamy Izay fifalianao ; Matokia Hianao, Izy no Sakaizanao ! Nefa mba henoy, ry zaza ! Ao an-danitra Izy izao, Fa ho avy indray hitsara An'izao tontolo izao ; Koa mba fidionao Izy ho Mpamonjinao !Na Tvoje diela, Bože, keď sa dívam Yang Dipuji Kaum Gembala Айт ҳамду сано Худога Я пою Sen buyuk Aj keď ťa nevidím Que l'on adore Отзвучал благовестника истины глас ṭwby̱ lldẖy gẖfr ạtẖmh Belam No Thihna Lopi
Song not available - connect to internet to try again?