Tany Betlehema fahiny, Tao an-tranon'omby re; Nisy Zazakely soa, Tampofoan-dreniny, Jeso Kristy Zaza io, Zanak'i Maria madio. Nahafoy ny Rainy Izy Sy nandao ny lanitra, Tsy nandà ny trano ratsy, Nefa Andriamanitra: Toe-pahantrana re An'ny Tompo lehibe. Fony Izy mbola Zaza Dia nanaiky sy nanoa, Ary tia reny Izy, Sy nanetry tena koa, Zaza Kristiana e! Manaraha Azy re! Ka ho hitantsika Izy Noho ny fitiavany: Fa 'Lay Zazakely tsara No mba Tompon-danitra, Ka isika zanany Dia hankany aminy. Nefa tsy mba tranon'omby. Itoerany izao, Fa nankao an-danitra Izy. Sy mitafy laza ao; Ka ho sambatra any koa Tahaka Azy ny zaza soa.Хозяин добрый добродушный Speak O Lord Bendita casa Иисус Твоя возлюбленная ждёт nrfʿk fwq ạljmyʿ Ja striebra a zlata nemám Пришла любовь Dunyoga keltirgan seni Кайболурдум Yo camino en la luz de Dios
Song not available - connect to internet to try again?