Tena sambatra sy mahate-ho tia Izay masim-po, madio fisainana, Fa miara-dàlana mifankatia Amin'Andriamanitra, Fiainana. Masina tokoa re ry Tompo Tianay mba ho masina, Saina, tena sy fanahy Ka fiainan-danitra tokoa No santarin'izay mino sy manoa. Indro, mampahery, mahatoky koa Raha mahitsy ny fijery, soa ny fo ; Fa ny fo madio sy masina tokoa : Paradisa an-tany, feno zava-tsoa Masina tokoa ..sns. Koa halaviro ny fitaoman- dratsy, Ny fisakaizana tsy mba masina ; Fa ny tia ny Tompo, dia olon-tsoa mitafy Fahadiovan'ny Fanahy Masina. Masina tokoa ..sns. Miaraha làlana amin'i Jesosy. Fa ny fahavalo ta-hamotraka, Mijoroa, reseo ny toetra mampihosina Ao anaty loto sy ny fotaka Masina tokoa ..sns.ʿndk llmwt mkẖạrj He is Jehovah Ыйса Теңирим بركات الرب Слава Тебе yạ ʿjybạ msẖyrạ Ёрону дӯстони гиромӣ ба по шавед God Is so Good Абрахам Эцэг Pardonné
Song not available - connect to internet to try again?