Teraka Jesosy Tomponay, Taitra ny olona fahizay, Nisy anjely nihira teo, Mahafinaritra, tsara feo, Sady milaza soa aminay, Dia hihira anio izahay Taona fahasambaranay, Volana fifalianay, Andro firavoravoana Anao, Jesosy, Zanaka Masina ô! Teraka Jesosy be fitia, Indro kintana tonga teo, Avy hanoro ny Zaza soa: Faly ny Magy, fa Io tokoa, Io no Mpanjaka mandrakizay Dia nanaja androtr'izay: Taona fahasambaranay, sns. Teraka Jesosy Zaza soa, Zaza Malalan'ny Ray tokoa; Tonga hamonjy io Zaza io, Teraka ao Betlehema anio; Ento 'zahay, Fanahy, hankao. Andronay mahafaly izao: Taona fahasambaranay, sns. Sambatra manana Anao ho Ray, Faly sy ravo tokoa izahay; Jesosy Tompo nirahinao, Tonga ho nofo ny Zanakao; Teraka ho Mpanavotra anay Avy hifaly eto 'zahay: Taona fahasambaranay, sns.La visión que recibí me conquistó عندما ادخل مخدعي Manusia yang Meluku Слово Твоё Dios a su Hijo nos ha dado Да Те познавам повече ạ̉nạ mstnyk jīn rì yō yǒu hǎo jiǔ ạ̹n ṭạl ạllyl bẓlạmh Освети наш путь Аллах!!!
Song not available - connect to internet to try again?