Teraka Jesosy Tomponay, Taitra ny olona fahizay, Nisy anjely nihira teo, Mahafinaritra, tsara feo, Sady milaza soa aminay, Dia hihira anio izahay Taona fahasambaranay, Volana fifalianay, Andro firavoravoana Anao, Jesosy, Zanaka Masina ô! Teraka Jesosy be fitia, Indro kintana tonga teo, Avy hanoro ny Zaza soa: Faly ny Magy, fa Io tokoa, Io no Mpanjaka mandrakizay Dia nanaja androtr'izay: Taona fahasambaranay, sns. Teraka Jesosy Zaza soa, Zaza Malalan'ny Ray tokoa; Tonga hamonjy io Zaza io, Teraka ao Betlehema anio; Ento 'zahay, Fanahy, hankao. Andronay mahafaly izao: Taona fahasambaranay, sns. Sambatra manana Anao ho Ray, Faly sy ravo tokoa izahay; Jesosy Tompo nirahinao, Tonga ho nofo ny Zanakao; Teraka ho Mpanavotra anay Avy hifaly eto 'zahay: Taona fahasambaranay, sns.Rien ne peut de nos coeurs Nem felejtem el Магтан дуулъя миний О, Құдай - Иса Ием, менің! In questa preghiera Uitstap: No condemnation Иисус - святое имя Аллилуйя! Аллилуйя! Будем славить Soar A small little thing
Song not available - connect to internet to try again?