Tompo mahery Tsitoha, Faly izahay mahatsiaro, Fa Hianao Izay Loha Efa niantso olo-maro. // Mba hitohizan'ny asa, Asa natomboka teto // Raiso ny saotra aman-dera Noho ny zavatra vita, Fa Hianao nampahery Ny mpiasanao izay tafita. // Raiso fa Anao samy irery Ny fahefana sy hery // Dia hamasino ny asa Sy ny fiezahana mafy, Efa nataon'ilay mpiasa Tamin'ny fo sy ny hafy. // Ho voninahitrao, ry Tompo Izay niantso azy hanompo. // Ary izahay izay mandova Sy ta-hanohy ny asa, Aoka ny toetra ho lova Horaisinay, enti-miasa. // Ho voninahitrao, ry Tompo Izay efa niantso mpanompo. //Autuus suuri ما أحسن الإخوةَ إذ يجتمعون بالوَدادْ Ёнимда бўлсанг Скоро скоро вже ми побачимо Христа يا مسيحي يا حياتي Hills and Valleys Los libros 27 son Grazie Signore أحبك لأنك أحببت أولًا myn zyk
Song not available - connect to internet to try again?