Tompo ô, tsy takatray Ny hasoan'ny antranao ; Zava-mahagaga anay Ny fitiavanao. He, mpanota izahay, Nefa hasoavinao ; Avotr'aina azonay, Misaotra no atao. Tompo ô, Mpanjakanay, Fatratra ny herinao : Ts'isy zavatra izay Mahasakana Anao ! Nefa mora fo Hianao Fa mandefitra aminay, Koa dia misaotra Anao Fa afaka izahay. Tompo Andriamanitray, Avy izahay izao : Raiso ny fiainanay ; Anao, ka anjakao. Tompo ô, tsy takatray Ny hasoan'ny antranao ; Zava-mahagaga anay Ny fitiavanao.رەبنى ماختاڭلار بالىلار Cate doruri imi frământă viaţa jysẖ ạ̉mlạk ạ̹ly̱ djy̱ ạlḍryḥ Дикенден тач ьордюлер yạlly msẖ lạqy Moc předivná wǒ yī wú suǒ yǒu ạ̉ntẓry̱ ạlrb yạnfsy̱ Hayatım Sende, Rab
Song not available - connect to internet to try again?