Tompo ô ! tsy takatry ny saiko Ny fitiavanao tsy nohajaiko ; Kanjo io no hany antenaiko Mba hamonjy ahy izao. (Hamonjy izao) Tompo ô, voababonao Izany foko ho Anao Mamy re ! Izany fitiavanao, ry Jeso ô ! ( Feo II ) Tompo ô ! dia resinao ny foko ilay nandà, Voababonao tokoa tokoa ; Ka nasandratrao ho Zanak' Andriamanitra, Hotarihinao an-danitra. Mamy dia mamy re, tsaroan' ny aiko izao Izany fitiavanao, ry Jeso ô ! Ny fandavan-tenanao tsaroako Fa fandavan-tena nahitako Ny fitiavanao izay inoako Fa mambomba ahy izao. (Mambomba izao) Tompo ô, ..sns. Ry Jesosy, tsy mba misy haiko Afa-tsy manolotra ny aiko Eo an-tananao izay andrandraiko Hampijoro ahy izao (Hijoro izao) Tompo ô, ..sns.Aké je dobré a milé Ápiwayı qosıq Բարի Հովիվ է Տերը mạ lm trạh ʿyn De Jesús escucha el tierno llamamiento Chceme chváliť Tvorcu všetkého Гимн Уж близок близок час рассвета Rabbim Iso, hamdu sano Senga Бог мой как прекрасно пребывать с Тобой
Song not available - connect to internet to try again?