Tompo tia ô, midina, Mitoera aminay, Ka fenoy fifaliana Ao anatin'ny fonay. Hianao, ry be fiantra, Tomponay Mpamindra fo, No mpamangy ny mahantra, Ka midira ao am-po. Aoka re ny fofon'ainao Hahavelona anay, Hanahafanay ny sainao Hampiadana anay. Ny fitiavanay ny ota Mba vonoy, ry Tomponay, Manafaha anay mpanota, Ry Andriamanitray. Ny mpanomponao ampio Mba handraisany Anao, Aza afoy fa mba tahio, Aoka ho tempolinao, Hianao no hotompoinay, Ry Andriamanitra, Hianao no hoderainay Hatrarý an-danitra. Tanteraho ao am-ponay Ny fiainana vaovao, Ny fanahy sy ny sainay Mba fenoy ny herinao, Amboary sy havaozy Isan-andro izahay Mandra-pahatonga any Aminao mandrakizay.حررني ربي من كان صغيرًا Allah. Ya Ba Mu Hasken Rai Domin Mu Haskaka Saint Saint ایکی مونگ ییل گِچیپ گیتدی.. Lær meg å bede Gud Ton Eglise triomphante У Алтаря Andriamanitra hendry Ja chválu Ti vzdám
Song not available - connect to internet to try again?