Tompo Tsitoha, izahay mifona, Mba mihainoa, ô mba manatòna ! Ka mamindrà fo aminay mpanota, Ho afaka ota. Raha averina aminay mpanota Izay mendrika ho anay ho valin'ota, Dia ho anjaranay re ny hijaly, Fa tsy hifaly. Indro izahay, fa vovoka sy tany, Reraka, osa, sady mitomany, Traty ny mafy mampiferinaina, Ka mitaraina. Noho Jesosy Zanaka malala, Izay nijaly solonay adala, Dia mba vonjeo izahay mahantra, Ry be fiantra. Ray be fitia, tokin'ny mahantra, Mba manampia anay, ry be fiantra, Fa miandrandra izahay mijery Anao irery !Кубанычтуу кабар тарап бүт жерге Rablók vagytok Samotny wśród morskich NANGMAH LAWNG Meniň Rebbim rehimli Dunia Dalam Rawa Paya Само една искра Veniti sa Ii multumim يسا ٴماسىح، تەك وزىڭە تابىنامىن mwsyqy̱
Song not available - connect to internet to try again?