Tompon'ny lanitra ô ! mba tahio Izy izay ta-hanatona Anao, Ka ta-handray ny batisa anio Sady maniry mba ho Zanakao. Ampifalio ny fony, izay ory, Sady miaky ny ota natao Ary ny ratsy maniry fongory, Ka mba omeo ny aina vaovao. Izay manaiky hitana ny soa Sady mandà ny devoly izao ; Aoka hiseho ho mpino tokoa Amin'ny fomba sy asa vaovao. Afon'ny lanitra ô ! mba avia, Ka ateraho ny fony izao Ary tarihonao mba tsy hania Fa te-ho sambatra ao Aminao. Andriamanitra Ray be fitia, Taomy ny maro hanatona Anao Ny Fiangonanao, ho be mpitia, Ho marobe ny ankohonanao.Egamdan Kelar Madad Благодарю Господь за тихий вечер Seigneur, tu es notre joie Несравненно больше Бакы дурмуш бар Сен экен ИИСУС КУДАЙГА ТӰҤЕЙЛЕЖИП Жизнь продолжается tlj tlj Il Tuo grande amore (Stringimi) ạ̹n fạḍ qlby
Song not available - connect to internet to try again?