Tonga indray re ny Noely, Andro tsara sady soa ; Jeso Tompon'ny anjely, Nefa nietry tena koa. Indro tonga Zazakely, Ho sakaizanay tokoa, Sy hamory 'zay miely, Hody amin-dRainy koa ! He, ny fonay ravoravo, Ry Noely maminay, Fa ny Zanaky ny Avo, No nomeny ho anay, Mba hanarina ny lavo, Sady ho fiainanay ; Feno sy mitafotafo 'Zany hasambaranay ! O ! ry androm-pamonjena, Arahaba, hianao ! Olo-maro sesehena No mifaly aminao, Avy koa mba hitsena 'Lay Mpamonjy soa 'zahay, Ka ny fonay no homena An'i Kristy Havanay !Nega sen ertaning tashvishini qilasan มีความเข้าใจกันในพวกเรา rb ạlnʿmẗ yạrb ạ̹lh ạljnwd ليس لي فضة Vlasť moja krásna, nadzemská Vedo il Signor Nový rok som zase dožil Sjelen den trenger til hvile عزوا واسوا شعبي
Song not available - connect to internet to try again?