Torotoro va ny fonao, Ry mpanota re, izao ? Ka ifonanao tokoa Va ny hadisoanao ? Hianao va mitomany Ka maniry mba ho any Amin-Jeso, Izay nandany Re ny ainy ho anao ? Ny Fanahin'ny Mpamonjy Moa nangatahinao Hampandray anao ny vonjy Hahamasina anao ? Moa fantatrao tokoa Fa ny rany mahasoa Dia avotra naloa Mba hahafa-trosa anao ? Maro no manaiky ihany Araka ny vavany, Fa hanoa ny Mpamonjy, Ka ho tena havany. Nefa kosa mbola tia Fomba ratsy, ka mania, Dia tsy handray fitia Raha ao am-parany. Koa dia miangavy Aho, ry sakaizako Mahereza mba hitady Fiadanana ao am-po Mba hatòny ny Mpamonjy, Angatahonao ny vonjy Dia tsy maintsy ho tra-bonjy, Jeso no mamindra fo.Егит дыр югыт -вазь тулыс кадь ик ขอพระองค์เจ้าทรงตรวจจิตใจ (สดุดี 139:23-24) Tapınırım Adına Intr-o noapte-n Betleem My hope in God حبك ملاني سلام Годы как тучи Keď spasení فض في قلبي Každý jazyk nech vyzná: Ježiš je Pán
Song not available - connect to internet to try again?