Torotoro va ny fonao, Ry mpanota re, izao ? Ka ifonanao tokoa Va ny hadisoanao ? Hianao va mitomany Ka maniry mba ho any Amin-Jeso, Izay nandany Re ny ainy ho anao ? Ny Fanahin'ny Mpamonjy Moa nangatahinao Hampandray anao ny vonjy Hahamasina anao ? Moa fantatrao tokoa Fa ny rany mahasoa Dia avotra naloa Mba hahafa-trosa anao ? Maro no manaiky ihany Araka ny vavany, Fa hanoa ny Mpamonjy, Ka ho tena havany. Nefa kosa mbola tia Fomba ratsy, ka mania, Dia tsy handray fitia Raha ao am-parany. Koa dia miangavy Aho, ry sakaizako Mahereza mba hitady Fiadanana ao am-po Mba hatòny ny Mpamonjy, Angatahonao ny vonjy Dia tsy maintsy ho tra-bonjy, Jeso no mamindra fo.Пусть Тебя Бог сохранит Şimdi duydum kendimi MƏNİM TANRIM İSA Слово Твоё Ať dobrý Bůh je stále s vámi Voglio veder Cristo Queremos Dar Gracias Радость от Тебя чудный мой Господь Радость находится в сердце у того W więzach grzechu, jak w niewoli
Song not available - connect to internet to try again?