Tsaroako dia tsaroako Raiko ô, Raiko be fitia ! Fa ny fahadisoako Nodiovinao satria Noho Jeso Mpamonjy soa, Inty izaho fa afaka, He ! azoko tokoa tokoa Ny famelana heloka. Ny aizim-pahotàna Raiko ô, Raiko be fitia ! Misolo hazavàna Mamiratra erý. Ny lalako mahitsy izao Mitory olona afaka Noho ny hery vaovao Ny famelanao heloka. Endre, ny hafaliako Raiko ô, Raiko be fitia ! Fa maivana ny diako Avy any Kalvary. Ny tahotaho-poko tao Tsy reko intsony, afaka ; An-tanako tokoa izao Ny famelana heloka. Deraiko lalandava Raiko ô, Raiko be fitia ! Ny vavako hilaza Ny vitanao tetý. Fa mbola misy marobe Maniry te-ho afaka, Ho azy ireny koa anie Ny famelana heloka.ạnạ bḥbk yạrb گِل، واقت بُلدی، آلقیشلامانا O Jesus, Du som fyller alt i alle لو АЛКЫЖЫҤ ЈАЙЫМ ЭКЕЛЕТ La Tine venim Мой Иса, Спаситель Stella У Твоей груди успокоюсь я Učiň mne, Bože, světélkem
Song not available - connect to internet to try again?