Tsaroako dia tsaroako Raiko ô, Raiko be fitia ! Fa ny fahadisoako Nodiovinao satria Noho Jeso Mpamonjy soa, Inty izaho fa afaka, He ! azoko tokoa tokoa Ny famelana heloka. Ny aizim-pahotàna Raiko ô, Raiko be fitia ! Misolo hazavàna Mamiratra erý. Ny lalako mahitsy izao Mitory olona afaka Noho ny hery vaovao Ny famelanao heloka. Endre, ny hafaliako Raiko ô, Raiko be fitia ! Fa maivana ny diako Avy any Kalvary. Ny tahotaho-poko tao Tsy reko intsony, afaka ; An-tanako tokoa izao Ny famelana heloka. Deraiko lalandava Raiko ô, Raiko be fitia ! Ny vavako hilaza Ny vitanao tetý. Fa mbola misy marobe Maniry te-ho afaka, Ho azy ireny koa anie Ny famelana heloka.V bludišti sveta ที่นี่ไม่มีเหงา Сен, Теңирим, күмүштөн да асыл Nie vždy je slnko na oblohe Մեկ Տեր Մեկ Հավատք Воспой хвалу Царю царей Track 12 Послушай о грешник последнее время Everything (God in My Living) Egy hangon
Song not available - connect to internet to try again?