Tsarovy, ry sakaiza, Ny RAY an-danitra e, Fa Izy no nitaiza Sy nahalehibe ; Fa raha mbola zaza Nampitomboiny, Ka na ho antitra aza, Tsy mba hafoiny. Ny saina sy safidy Nomeny ho anao, Ka tiany hifidy Ny tsara hianao Tsarovy, ry tanora, JESOSY, avotrao, Mahay mitondra mora, Mitandrina anao. Miaraka mibata Ny fahorina, Ka dia mahareta Ny hatrotrahana, Fa Izy no miaro Izay mpianany Ka dia mba fantaro Ny fitiavany ! Tsarovy ry zatovo, Ny MPANAMASINA Fa Izy no manovo Ny rano velona, Ka dia mba mampandro Ny ta-hadio fo. Lazaina isan-andro Ny marina sy to, Ka ny masirasira Esoriny aminao, Izay maniratsira No halavironao. Tohero, ry zatovo, Izay mamitaka, Satana ta hamono Ny tsy miambina Ny nofo mitsikilo Ny voninahitrao ; Mamono ny fanilo Izao tontlo izao Ka raisony ampinga Alao ny sabatra, Izany mahakinga Ny te ho sambatra.أحبك ربي يسوع В Своей любви великой Muńǵa batsam júregim muzdap Ты особенный Viens, ô Jésus, ton Eglise t'appelle zmạn dwrt ʿly Jezu, rač Ty sám zhǔ gěi nǐ yù bèi de shì zuì hǎo zuì hǎo Бизди Теңир, элибизди, ойготкун O, mów mi, mów o Jezusie
Song not available - connect to internet to try again?