Tsy maintsy hateraka indray hianao Izay ta-handova Ny lanitra sy ny fiainam- baovao, Izay tsy miova ; Ny havan'ny Tompo ihany No tena hahazo izany. Ny fo vatolampy esory izao, Fa tsy hovonjena ; Katsaho ny fo feno aina vaovao Fa io no ekena Horaisina any ambony, Ka tsy hitomany intsony. Ny Tompo mitondra ny hery vaovao ; Fanahy sy afo, Izay mampiova ny fonao izao Ho tonga fo nofo ; Ny olona lasan-ko babo Ho afaka sady hiravo. Ry Masina ô, ateraho indray Izay mitaraina, Velomy ny maty hifoha, handray Ilay tena aina ; Mba raiso, ry Ray be fitia, Ny zanaka adala mania !Môj Pán, jak predivné Maral móldir sýdy qalaı ańsasa يا مطلق الأسرى Ja, samlingsdagen جاشىل جايلووعو مەنى جاياسىڭ دايماً بتخبينى Gʻam chekma qimmatli mening jonim Գոհ եմ, Տեր Io credo in Te Gesù Všetky národy chválu vzdajte
Song not available - connect to internet to try again?