Tsy mba hisy tonga arý an-danitra Raha tsy mandrombaka tokoa ; Ny mpiady tsara izay maharitra No handray anjara lova soa. Ety sady tery ny vavahady ao, Kely sy mideza ny lalana mankao ; Nefa aza kivy, ry havako izao, Fa izay malaina dia ho very. Maro no mitady hisakana anao, Koa mba tohero, ry sakaiza ; Mba reseo mafy ny fahavalonao. Fetsy izy ireo ka mahaiza, Izay rehetra mamin'izao tontolo izao Dia avelao, fa mamandrika anao ; Aoka mba Jesosy no hifalianao, Eny hifalianao tokoa. Satroboninahitra tsy ho azonao Raha tsy katsahinao tokoa Fa hevero kosa ny fifalianao Raha tonga ao an-dapa soa, Fa hahita maso ny Tompo hianao, Ka hifaly amin' Andriamanitrao. Koa miomàna re, ry sakaiza ô ! Mba ho faly ao am-pitsarana. Dia miangavy, mangataka aminao, Mba modia, ry mpirenireny ! Fa ny Tomponao ta-handray anao izao. Hianao tsy sitrany ho very. Izy dia mananty ny tanany izao Ka ny fonao simba mba atolorinao Hosoloan'i Jeso fo tsara sy vaovao ; Izany mba hevero, ry sakaiza !Jésus-Christ est le même Sen Güçlüsün Göklerde uçar Ry Tompo mahavonjy o Lord Your goodness ạlmjd lyk مستحق BLESS THEM O LORD يا طبيبي Սուրբ Աստված Երկնքում
Song not available - connect to internet to try again?