Tsy renao va ny feon'ny Ray, Ry malahelo fo ! Miantso hoe : « Avia, avia, Modia hianao ! » Ny Rainao be fitiavana Hifaly aminao, Ka hanome malalaka, Raha hody hianao. Na diso aza hianao, Mitebiteby koa, Ny Rainao ta-handray anao Ho sambatra tokoa. Modia an-tranonao arý, Mahantra hianao ; Tsy misy zava-tsao atý Hahafa-po anao. Ny lamba efa rovitra Hesorina aminao, Ka hafa tsara lavitra No hitafianao. Mba maneke ny teniny Ankehitriny izao, Fandrao dia hisy loza re Hihatra aminao.Ku komu pôjdem La tua pace o Dio regni A tu puerta Cristo está Бурадайъз, Аиле Оларак Топландък ạ̹ny lạ ạ̉ʿlm Buyuk, Buyuk Tangrimiz Тэнгэрийн дээр Эзэн Танаас өөр Ты прав Ей Кралъм Олан Танръм Білуге Сені
Song not available - connect to internet to try again?