Vahiny eto isika Ka monina amin-day, Mitady mba hahita Ny any amin-dRay ; Fa ao ny fanjakany Sy fiadanana, Ka ao tsy hita lany Ny fitiavana, Ao no fodiana, Mihaona ao ny mino, Ka tsy hisaraka. Izay atý an-tany Dia mora tapitra, Fa ny tsy mety lany Dia ao an-danitra ! Fa ao ny Tompontsika Izay nohomboana Mba hahazoantsika Ny fifaliana, Ao no fodiana, ..sns. Manafotra ny tava Ny ranomaso be, Kanefa dia hisava, Fa hofafana e ! Isika manantena Fa ny Mpampakatra Ho tonga mba hitsena Ny ampakarina. Ao no fodiana, ..sns.Гел Аллах ал бизи Жашоомду сүйүүгө толтур Na nebi žiarili sláva a moc ạ̉yhạ ạlqdws yạ rb ạlḥyạẗ นี่เป็นคำอธิษฐาน (โปรดทรงอวยพร) Amazing Grace (Stupenda Grazia) مع يسوع ما باخاف Isoga ber sen tashvishlaringni this is the year of Jubilee Rab'bin Sözü Gerçektir
Song not available - connect to internet to try again?