Veloma no apetrako, Fa tapaka ny hevitro, Handao ny fahazarako, Fa Kristy no harahiko. Veloma Hianao, Ry izao tontolo izao ! Izaho tsy tamana atý, Veloma Hianao ! Ny làlan'ota hitako Namono ny fanahiko, Fa he, erý dia tazako Ilay tany soa mamiko Veloma ..sns. Mpanota ô, nahoana No tsy miaraka aminay, Fa mbola misy toerana Izay ho anao sy ho anay. Veloma ..sns. Veloma, fa ao aloha ao No tany izay honenako, Ka maika aho mba hankao Handray ny fitsaharako. Veloma ..sns. Jerosalema tazako, Ka velona ny hirako, Fa any no honenako Hidera ny Mpanjakako. Ho any aho izao, Ho any aho izao, Izaho tsy tamana atý, Ho any aho izao.Kutsal Adını Yüceltmeye Li nav Dinê da تعليق 1 Динле йюреим динле ʿndmạ kẖlṣt Ouvre le ciel Nunta Mielului sẖftạy tsbḥ Кимсəсиз идим, дајаг олдун Сəн Jest jedno Ciało
Song not available - connect to internet to try again?