Veloma no apetrako, Fa tapaka ny hevitro, Handao ny fahazarako, Fa Kristy no harahiko. Veloma Hianao, Ry izao tontolo izao ! Izaho tsy tamana atý, Veloma Hianao ! Ny làlan'ota hitako Namono ny fanahiko, Fa he, erý dia tazako Ilay tany soa mamiko Veloma ..sns. Mpanota ô, nahoana No tsy miaraka aminay, Fa mbola misy toerana Izay ho anao sy ho anay. Veloma ..sns. Veloma, fa ao aloha ao No tany izay honenako, Ka maika aho mba hankao Handray ny fitsaharako. Veloma ..sns. Jerosalema tazako, Ka velona ny hirako, Fa any no honenako Hidera ny Mpanjakako. Ho any aho izao, Ho any aho izao, Izaho tsy tamana atý, Ho any aho izao.تعليق 2 - ثمر شفاه 2 ما أحلـى السجـود Name Above All Names Халлелүяа Бяцхан Хурга Salehlər sevinir ملك الملوك وجلالك مالي الوجود ʿlmny ạ̉n ạ̉ʿml چووچۇنداردى چوعۇلتۇپ Cóż bym miał bez Ciebie Алелуя Ей & Оше Бабалуа, Оше
Song not available - connect to internet to try again?