Vimbino tsara izahay Ry Jeso Kristy Tomponay ! Mba tsy ho diso lalana Atý ambony rano be, // Ka na manonja aza re Ny ria-dranomasina, Tazòny mafy izahay Mba tsy ho rendrika atý // Dia mitsangàna, ka avia, Ry Jesosy, Mpamonjy tia ! Jereo ny fahorianay ; Anaronao ny rivotra // Izay mampanonja toy izao Ny alon-dranomasina, Izay manafotra anay Atý am-pandehananay // Fa Hianao no aronay, Ka dia sahy izahay Hamaky sy hanohitra Ny onjan-drano betsaka ; :,; Ka aoka tsy ho fefika Atý an-dranomasina, Fa mba ho tonga aminao Ny sambonay, ry Tompo ô !تايه Koʻkda Bir Chamanzor Radostou je dusa naplnená Biriciksin, İsa Mesih Теңир тирилди, бүт баары даңктап ырдашат Та бол алдрын Хаан Снова вместе мы были собраны اكليله مضفور Finaritra ny masoko Un fiore nel deserto
Song not available - connect to internet to try again?