Vimbino tsara izahay Ry Jeso Kristy Tomponay ! Mba tsy ho diso lalana Atý ambony rano be, // Ka na manonja aza re Ny ria-dranomasina, Tazòny mafy izahay Mba tsy ho rendrika atý // Dia mitsangàna, ka avia, Ry Jesosy, Mpamonjy tia ! Jereo ny fahorianay ; Anaronao ny rivotra // Izay mampanonja toy izao Ny alon-dranomasina, Izay manafotra anay Atý am-pandehananay // Fa Hianao no aronay, Ka dia sahy izahay Hamaky sy hanohitra Ny onjan-drano betsaka ; :,; Ka aoka tsy ho fefika Atý an-dranomasina, Fa mba ho tonga aminao Ny sambonay, ry Tompo ô !اختبرتني إلهي Daj mi tam dôjsť Drogą jasną, ścieżką prostą Efirandarê Erd û Ezmên Žalm chvály Zo srdca hĺbky, Pane Vzdajme chválu, česť i slávu Муҳаббат Как роняя листву поздней осенью Pojďte ke Mně všichni
Song not available - connect to internet to try again?