Vita izao ny fandresena : Haleloia, haleloia ! Azo koa ny famonjena : Haleloia ! Resy re ny fasana Sy ny fahafatesana Fahavalo farany ; Fa Jeso nitsangana Tonga fanafahana : Haleloia ! (in-3) To izao izay nambara : Haleloia ! haleloia ! Fa ny fototra nivaha Haleloia ! Foana ny fasana, Jeso re nitsangana Tamin-kery lehibe, Ka torio ry mino e ! Eran-tany, mba ho re : Haleloia ! (in-3) Dia venteso ny hosana : Haleloia ! haleloia ! Aoka tsy hihambahamba Haleloia ! Fa efa velona tokoa Ilay Mpamonjy tsy mba roa, 'Zay nisolo voina anao ; Izy no nisantatra Ny fiainan-tsambatra : Haleloia ! (in-3)I Will Sing of the Mercies Тәңірім, рақымыңды енді Jak jeleň dychtí za vodou มีของบางสิ่งที่ฉันไม่รู้ З Днем Різдва! З Днем Різдва! З Днем Різдва! Dulce oración Эзэний амилалтын үнэн гэрчүүд Niech Twój Święty Duch Ježiš, Ty máš meno najkrajšie Kristus žije, život náš
Song not available - connect to internet to try again?