Zanahariko Tsitoha Tompo, Hery sy Fitia, Ray hatramin'ny taloha, Ahy anio, ka ho doria. Manjakà mandrakizay Ao am-poko, Tompo soa ; Dera, laza, Anao ry Ray ! Zanaka, Fanahy koa. Ny finoakao Anao, Hatanjaho mba hamoa Hiasako ny asanao, Hamafazako ny voa. Aoka ny Fanahinao Jiro mba hitarika ahy Ka apetrako aminao Na ny tena na fanahy. Antenaiko, Hianao, Jeso Izay Mpitsara lehibe Hanamarina ahy ao, Na mpanota aza re. Dia hiezaka aho etý Mba hanao izay mendrika Hamindrànao fo arý Fa voavela heloka. Ray ô, ny fitiavanao Afindrao ho toetrako, Mba hitiavako Anao, Ary koa ny namako. Ho mpanompo aho re ! Ho mpitory koa Anao ! Mba hanjaka an-tany e, Tompo, ny fitiavanao.Quiero ver a Jesucristo أنا نفسي Keď vstávam z pádov ḥb ạlʿạlm Олмады јер Сəнə бу Јер үзүндə Glorify Thy Name in all the Earth mstr ʿnh ạlwjwh ạ̹n knt tḥb yswʿ Io loderò Zwróć swój wzrok na Jezusa
Song not available - connect to internet to try again?