(Maintimolaly) Zanahary no mahela Izay fe-taona iainanay, Ka miantra sy mamela Tombon'andro ho anay ; // Nefa vitsy // No ho andronay atý. Betsaka ny andro lany Nanaranam-po izao ; Misy feo manontany : Vita ve ny asanao ? // Miezaha // Avy re ny alim-be. Mamindrà fo, Zanahary ! Mamelà ny helokay ; Tompo ! aza mba manary, Andrao ho very izahay ; // Mihainoa // Ny mifona aminao. Ry Jehovah ! manomeza Izay ilainay olonao; Mitahia, mampahereza, Mba ho tonga ao aminao, // Ka hahazo // Satro-boninahitra ao.I'm so glad Jesus set me free Poşman im Îsa Fratilor credinta noastra Fall til ro Давным давно в ночь дивную بالتسبيح Somos un pequeño pueblo Ry Jeso Loharanon'aina Братья придите и пойте Тұз өз күшін жоғалтса керегі жоқ
Song not available - connect to internet to try again?