Zanahary, Ray Mahery ! Izahay tsy mana-kery, Nefa he ny fahavalo, Fa masiaka sady maro ; O ! ampio re izahay, Fa ny zavatra mihatra Tsy mba misy maharatra Ny arovanao, ry Ray, Zanahary, Ray Mahery, Mba arovy izahay ! Zanahary, Ray Miantra ! Olon-diso sy mahantra Izahay izay mitaraina, Hianao no antenaina ; Iantrao re izahay ! Be tokoa ny fahotana Mahatonga fanimbana Efa vitanay tatý : Zanahary, Ray Miantra, Mamelà ny helokay. Zanahary, Ray Malala ! Enga anie ka hahalala Mba ho tia sy hanaiky, Ary koa mba hanakaiky, Ny Mpamonjy izahay ; Tsy ny tahotray ny loza No manaitra anay hiova, Fa ny ran'ny Zanakao : Zanahary, Ray Malala, Mba hazòny izahay.lw tʿrf ḥby lyk En expirant, le Rédempteur kl ạlkẖlyqẗ - mwsyqy هو الله كل المخاوف Варлъънън Гьоркемийле ยกพระนาม Lift Him Up ХААННАРНЫҢ ХААНЫ Sudahkah Yang Terbaik 'Ku Berikan Santo santo santo
Song not available - connect to internet to try again?