Zanahary tsy mba tia Ny fahaverezanao Izy, Rainao be fitia, Tsy mba mahafoy anao. Ny famoizam-po ario, Fa Jesosy itokio, Mba hatoninao anio Ilay be fahasoavana ! Izy dia nitady ela, Vao nahita anao izao ; Mifalia, tsy ho ela Dia hody hianao. He, ry ondry saiky very, Ory, osa, feno fery, Ny Mpamonjy manan-kery Hahasitrana anao ! Ny ao an-danitra mifaly, Raha misy miova fo, Ary any ny anjely Miramirana avokoa. Fo marary dia tsaboiny, Ahiahim-po vonoiny, Fiadanana lazainy ; Sambatra isika re !yé sū dīng shí jià wèi jiù wàn mín По звёздной лестнице Náš Boh je vyvýšený Len Ty Сен Гелдин Рәхмәт Сиңа, яшәү бүләк иткән Indro Jeso, mba vohay Бидэнд амь өгөхөөр иржээ Խոնարհվում Եմ Ես Քո Առջև İsa Çocukları Çok Seviyor
Song not available - connect to internet to try again?