Ahy va Jesosy Tompon'aina ? Moa ahy va ny lanitra ? Eny, matokia, ry fo sy saina, Fa eken'Andriamanitra. Eny, zokiko Jesosy Tompo, Fahagagana lehibe erý, Tsy antsoiny hoe mpanompo, Fa ataony tena havany. Toa mila hampisalasala Io tena fahagagana io, Ary lavin'ny tsy mahalala, Nefa azon'ny finoako. O, mba mifalia, ry fanahy, Fa anao Ilay Mpanavotra ! Ka misaora, aza mba manahy, Fa ho azonao ny lanitra. Iombonana ny lova any, Fa Iray ny Ray an-danitra ! Ka harena be dia be izany, Hasambarana maharitra.Amico Божий дом Мин саҡырам Ор'да Мъйдън? Si kjenner du det underbare Rüzgar Esiyor Timpul se scurge fără-ncetare Kar'na KasihNya Padaku Из небесного кристалла ДА СЪМ ТВОЙ
Song not available - connect to internet to try again?