"Ambarao, ry mpivahiny ! Ny alehanao izao !" "Fiakarana mideza, Ihoaranay anio ; Jesosy Tompo no miantso // Mba ho ao an-tany soa ; // Mba ho ao an-tany soa ; Jeso no alehanay // " // "Lozanao, ry mpivahiny, Làlana tsy fantatrao !" "Tsia, fa anjely maro No miaraka aminay ; Jeso Tompo no mitondra. Tsy hanjo anay ny loza, // Tsy hanjo anay ny loza ; Izy no ampinganay // " "Inona, ry mpivahiny, No ho azonao ary ?" "Jeso Kristy be fitia Vonon-kanome anay Lamba fotsy, zava-tsoa, Ranon'aina tsy ho lany, // Ranon'aina tsy ho lany ! Jeso no hatoninay // " "Tianay, ry mpivahiny, Mba hiaraka aminao !" "Mandrosoa ry sakaiza ! Miaraha aminay; Fa izay mitady tsara Tsy mba lavin'i Jesosy, // Tsy mba lavin'i Jesosy, Izy no hidiranay // "Jesus bryter hver en lenke wǒ men měi cì xiāng jù Juntos en tu presencia Fede Мой храм Благодарина Ман туке Девла ạ̉nạ mlkk bḥbk yạ syd ạlạ̉rḍ كم مرة ضممتني Vágyod-e elhagyni bűneidet?
Song not available - connect to internet to try again?