Amorony fo madio Aho, ry Jehovah ô ! Ka havaozinao anio Ny fanahiko izao. Be ny ratsy vitako Ka ny heloko sasao ; Mamindrà fo amiko, Ry Jehovah Tompo ô ! Amorony fo madio Aho, ry Jehovah ô ! Ka diovy ankehitrio Ny fiainako izao. Simba ny fanahiko, Ka amboary ho vaovao ; Aza esorina amiko, Ny Fanahy Masinao. Amorony fo madio Aho, ry Jehovah ô ! Ka ny foko ahitsio, Hamasino ho Anao. Taminao dia taminao No mba nanotàko, Ray ; Ka ny heloko avelao Ny fanahiko ovay. Amorony fo madio Aho, ry Jehovah ô ! Ka ny fo omeko anio, Raiso ho fanananao ; Fo mangorakoraka Noho ny ratsy izay natao ; Fo miaiky heloka, Ka mba raiso, Tompo ô.mṣlwb wmlk ىرايىم مەنەن اتتى تاڭىڭ نۇر چاچىپ Báriy bikar Ach, čo smutný mám si počať rjạyạ Junto A La Cruz De Cristo Dari Lembah Sengsaraku C'est le doux chant de Noël Эзэний дуу хоолой шиг Bože náš, požehnaj
Song not available - connect to internet to try again?