Amorony fo madio Aho, ry Jehovah ô ! Ka havaozinao anio Ny fanahiko izao. Be ny ratsy vitako Ka ny heloko sasao ; Mamindrà fo amiko, Ry Jehovah Tompo ô ! Amorony fo madio Aho, ry Jehovah ô ! Ka diovy ankehitrio Ny fiainako izao. Simba ny fanahiko, Ka amboary ho vaovao ; Aza esorina amiko, Ny Fanahy Masinao. Amorony fo madio Aho, ry Jehovah ô ! Ka ny foko ahitsio, Hamasino ho Anao. Taminao dia taminao No mba nanotàko, Ray ; Ka ny heloko avelao Ny fanahiko ovay. Amorony fo madio Aho, ry Jehovah ô ! Ka ny fo omeko anio, Raiso ho fanananao ; Fo mangorakoraka Noho ny ratsy izay natao ; Fo miaiky heloka, Ka mba raiso, Tompo ô.ساعا سۉيلۅگۅن قۇدايدان qṣydẗ ạ̉nạ nzyl Құрбан еттің біз үшін اق قالپاق كىيگەن اتا جۇرت O voi che negli affanni 背道的儿女啊 HRAMTHAWKNAK HLA Dunyoda juda koʻp har xil yoʻllar bor yà bó lā hǎn suǒ xìn de shén Тәңір Ием арамызда
Song not available - connect to internet to try again?