An-tsezam-panjakany, Ambony kintana, No lapan'i Jesosy Ilay nasandratra. Atý an-tany iva, Anilam-pasana, No ipetrahantsika Zoim-pahoriana. Kanefa mety ihany Ny monina atý, Hiomana ho any An-danitra arý. Isika tsy kamboty, Na dia nilaozany ; Nomeny ny Fanahy Ho solon-tenany. Ny fahoriantsika, Dia efa maivana, Ny fahafatesantsika Dia afa-tsindrona. Ny ain'i Jeso Tompo Iainantsika atý ; Tsy ela dia hiseho Indray ny tenany. Ka hira no venteso Ry havany izao, Ny senton'alahelo Mba atsaharonao !هللوا هللوا سبحوا اسم يسوع mkẖlṣy dẖbḥt Oh Lord our Lord ᠴᠦᠯ ᠦᠨ ᠲᠠᠭᠤᠤ yuàn nǐ píng ān Vládca vrchmi môže hýbať Když slunce zář Je tady den Боже дай терпенье Ó hlavo plná trýzně
Song not available - connect to internet to try again?