Andeha raha maraina, Raha antoandro koa, Andeha raha hariva Hivavaka tokoa ; Fo marina no ento, Ario ny tahotrao, Miondreha ao an-trano, Ka mivavaha ao. Tsarovy ny sakaiza, Ny havan-tianao ; Raha misy fahavalo, Mifona ho azy koa, Ka dia mangataha Ny soa ho anao, Jesosy Ilay Mpamonjy, Alao ho tokinao. Na tsy irery aza, Fa be ny olona ao, Ka misy hevi-tsara Miposaka ao am-po, Ny hataka mangina Voaeritreritrao Ho ren'ny Rainao tia, Jehovah Tomponao. Mba manatòna Azy Raha azon'ny manjo ; Tsarovy koa raha faly Hisaotra ao am-po ; Tsy misy hafaliana 'Zay mamy toy izao ; Ny fahazoantsika Mivavaka aminy.I'm Waiting on you Lord Buscamos siempre amor T'innalzerò Вчера под розами из злата ʿmry mạ hạfsẖl Lode gloriosa O Jezu, ja pragnę omyty być z plam Мне Иисус очистил сердце Či znáte svätý Boží ľud Raha manahy ny fanahy
Song not available - connect to internet to try again?