Andriananahary ô, endrey ny voninahitrao ! Ny tany sy ny lanitra mamelatra ny lazanao, Ny asanao rehetra e, ny famonjena lehibe, Mitari-dàlana anay hidera ny Anaranao. Ry Zanakondry masina, Jesosy Izay Isaoranay ! He, Hianao niantra anay, ka nentinao ny otanay, Ny menarana resinao, ny fasana vinakinao, Ka Hianao nanokatra ny lanitra hidiranay. O, ry Fanahy Masina, Izay mitarika anay Hanetry tena sy hanaiky fa mpanota izahay, Mitaona sy mananatra anay handray ny avotra, Ka manamasina anay, mba raiso ny fisaoranay. Ny voavonjy mbamin'ny anjely mankasitraka, Ny tany sy ny lanitra mikambana hanandratra Anao, ry Ray sy Zanaka, Anao Fanahy Masina, Izay maneho famonjena feno fitiavana.Keď sa skúška viery blíži Алиллуйя Алиллуйя Verný si, láskavý, Otče môj Vieni o fonte Zaśpiewaj Bogu serce me ULUGʻVOR Akwai Gidan Zamana Cikin Birnin Allah صلاة 2 rạḥ ạ̉ndm ʿ ạlly fạt A magasból nyúlt le
Song not available - connect to internet to try again?