Andriananahary ô, endrey ny voninahitrao ! Ny tany sy ny lanitra mamelatra ny lazanao, Ny asanao rehetra e, ny famonjena lehibe, Mitari-dàlana anay hidera ny Anaranao. Ry Zanakondry masina, Jesosy Izay Isaoranay ! He, Hianao niantra anay, ka nentinao ny otanay, Ny menarana resinao, ny fasana vinakinao, Ka Hianao nanokatra ny lanitra hidiranay. O, ry Fanahy Masina, Izay mitarika anay Hanetry tena sy hanaiky fa mpanota izahay, Mitaona sy mananatra anay handray ny avotra, Ka manamasina anay, mba raiso ny fisaoranay. Ny voavonjy mbamin'ny anjely mankasitraka, Ny tany sy ny lanitra mikambana hanandratra Anao, ry Ray sy Zanaka, Anao Fanahy Masina, Izay maneho famonjena feno fitiavana.耶和华啊 وسى كۇن، جاراتىلدى Îngenunchiat în faţa crucii stau Ики ҹаны бир үрəкдə, ики ҹаны бир дилəкдə Алгышлајырам Раб'би Беклерим Хаалгануудаа өргөгдөгтүн Бурнунуза Докунун Gutlag aýdymy Слышал Я
Song not available - connect to internet to try again?