Ankehitrio no isehoanao, Ry Jeso Tompo, izay malalanay ! Ankehitrio no anandramanay Ny hafaliamben'ny lanitrao. Ampiomany ao am-po izahay Hampahadio ny eritreritray, Hahatakaranay ny avotrao Izay namboaranao tao Kalvary. Eto no anoloranao anay Ny mofon'aina, rano velona ; Eto no ialanay sasatra Amin'ny adinay sy rafinay. Ry Jeso ô ! miandry izahay Ny fihavian'ny voninahitrao, Ho toy ny andro vao miposaka Ho toy ny rano mahavelona. "Raiso ny Tenako" no teninao "Ary ny Rako ho fiainana" Am-pitiavana no andraisanay, Na dia tsy mendrika aza izahay. Mombà anay, ry Tompo tia ô ! Aza miala amin'ny fonay, Aoka ny tavanao hazava re, Amin'ny làlana alehanay.ياللي مادد إيدك لي أنادي بقلبي قلب الله With my lips I will bless You My hope in God Свят Свят Свят Господь Бог Царь Всемогущий En noche oscura Ты мое упование Иисус мой царь Here I Bow Пентекост Артък Гелди
Song not available - connect to internet to try again?