Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika. Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika. Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy. Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo. Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany. Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika; Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe: Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, Na dia efa hitany aza ny asako. Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako; Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy. Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka, Ary ny Fanahy Masina; Eny, hisaorana sy hankalazaina anie Andriamanitra mandraki-zay. Amen.في شرودي وابتعادي Севгин Харикадър mn kl qlby ạlrb wʿdnạ wwʿdh ạ̉myn Salme 117 Cuan Profundo Es Tu Amor Ty mnie prowadź Zbawicielu Боже, бляс'кът Ти изпълня От зари к Тебе я взываю ạ̹nt knt fy sẖr tsyr
Song not available - connect to internet to try again?