Avia hankalaza Ny Tompo lehibe, Fa feno hery, haja, Jehovah Masina e Andeha mitambara, Ry vazan-tany ô ! Miankohofa tsara Hanaja Azy izao. Ry Tomponay Tsitoha Indreto izahay, Manondrika ny loha, Midera Anao, ry Ray Ny fonay sy ny hery, Fanahy, saina koa, Omena Anao irery, Ka anjakao tokoa. Mpanjaka tena hendry Hianao, ry Tomponay, Ka tena mahakendry Izay hahasoa anay ; Na misy toa mangidy Ny fitondranao soa Ny saina sy safidy Manaiky Anao tokoa. Manerana ny tany Izao ny lazanao, Ka be tsy hita lany Ny voninahitrao ; Koa hira fiderana Ventesinay izao Haleloia, Hosana ! Mba raiso ho Anao.Te iubesc şi-Ţi cânt din toată inima Zion Khawpi Ngaihna Yaşam Yolunda Yalnız Değilim ṣgẖyr ạ̉nạ Эзэн таныг тосолсонд Segala Suku Bangsa All is for Your glory كۉنۅۅدۅن قۇتۇلعام PATHIAN NIH AN ZOH LAI lmạ tlqy̱ fy ʿyny
Song not available - connect to internet to try again?