Avia hankalaza Ny Tompo lehibe, Fa feno hery, haja, Jehovah Masina e Andeha mitambara, Ry vazan-tany ô ! Miankohofa tsara Hanaja Azy izao. Ry Tomponay Tsitoha Indreto izahay, Manondrika ny loha, Midera Anao, ry Ray Ny fonay sy ny hery, Fanahy, saina koa, Omena Anao irery, Ka anjakao tokoa. Mpanjaka tena hendry Hianao, ry Tomponay, Ka tena mahakendry Izay hahasoa anay ; Na misy toa mangidy Ny fitondranao soa Ny saina sy safidy Manaiky Anao tokoa. Manerana ny tany Izao ny lazanao, Ka be tsy hita lany Ny voninahitrao ; Koa hira fiderana Ventesinay izao Haleloia, Hosana ! Mba raiso ho Anao.Иисус как чудесен Ты Kutsal Йюджелер Йюджесинин Барънаънда Свеж огън ДОБЪР Е БОГ Isaia 43 Сен менде Как часто мы блуждаем Slnko náš brat wlạ bnkẖạf mn ạllyạly
Song not available - connect to internet to try again?