Avia, ry mangetaheta ô Ka aza dia mba mamoy fo, Fa indro misy rano velona Izay omena mba hamelona Anao mahantra sy variana Ry zanakondry very làlana. Ny mofon'aina no atolony Anao manaiky mba ho olony Ny tenany no ho fihinana, Mba hahazoana fiainana ; Kanefa tsy mba hovidina anie, Fa tena fanomezan-dehibe. Jesosy Tompo no nanolotra Ny rany masina ho avotra Izany raiso mba ho tanjaka Sy toky ho anao, ry reraka Ry mpivahiny sasatra ao am-po, Avia re, ka manaràna fo !Bir kezde senderdi tańdady Táńirim NA CHUNGAH KA THUP bring all your needs to the alter Alahady, andro tsara, Super Wonderful Всюду с Иисусом безопасен я Isa Sen meniń berik Qorǵanymsyń في موكب جيش الغالبين Diz çöküp yalvarın Doamne-n prezenţa Ta doresc a sta
Song not available - connect to internet to try again?