Avia ry vazan-tany ô ! Sy mponina ao an-danitra Miraisa feo ka mihirà Ny fanavotan-dehibe, // Izay amonjena marobe, Dia vita re ka miderà // Avia ry fiangonana ô ! Mba asandrato re ny feo Hidera ny Mpanavotra ; Na atý an-efitra aza izao, // Hirao am-pandehanana Ny hira soan'i Ziona // Avia ry voavonjy ô ! Ka mifalia avokoa, Fa afa-doza hianareo ; Miraisa feo, ka mihirà, // Derao, derao, fa mendrika Ilay nanavotra anareo // Avia ry olom-bery ô ! Izay mandre ny teny soa Hoe : « Manatòna Ahy izao » Anio ny Tompo mba fidio ; // Ny fitiavany valio ; Ny fiderany koa hirao //Ani oko nevidelo Сломлен милостью لأنك أنت معي Ímé, az Isten sátora Built on the Rock Яхве فرحي لما يسوع O Lord, you're beautiful Чуртталганың дөзү болур чүрээңни Хаант улсаа байгуулаач
Song not available - connect to internet to try again?