Avia ry vazan-tany ô ! Sy mponina ao an-danitra Miraisa feo ka mihirà Ny fanavotan-dehibe, // Izay amonjena marobe, Dia vita re ka miderà // Avia ry fiangonana ô ! Mba asandrato re ny feo Hidera ny Mpanavotra ; Na atý an-efitra aza izao, // Hirao am-pandehanana Ny hira soan'i Ziona // Avia ry voavonjy ô ! Ka mifalia avokoa, Fa afa-doza hianareo ; Miraisa feo, ka mihirà, // Derao, derao, fa mendrika Ilay nanavotra anareo // Avia ry olom-bery ô ! Izay mandre ny teny soa Hoe : « Manatòna Ahy izao » Anio ny Tompo mba fidio ; // Ny fitiavany valio ; Ny fiderany koa hirao //يا قلبي Огнена Вяра This is how we overcome Cu Păstorul meu wyạk ạnạ wyạk కని విని ఎరుగని కరుణకు నీవే ạ̉nạ frḥạn Je sais bien qui nous aima tant Ягона Исо Буюк Я Твое приобретенье
Song not available - connect to internet to try again?