Aza mba manadino ny ray sy reninao ; Fa izy no nitaiza sy nanasoa anao, Ka na aiza na aiza aleha an-tany lavitra, Aza mba manadino ny ray sy reninao : Tsara izay ! tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay ny ray sy reninay. Aza mba manadino ny Tanindrazanao, Tsarovy ny tanàna izay nahabe anao. Fadio izay tsy mety fanaony fahizay. Aza mba manadino ny Tanindrazanao : Tsara izay ! Tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay ny tanindrazanay. Aza mba manadino ireo mpitondra anao, Araho ny lalàna mba hiadananao. Ka na aiza, na aiza aleha an-tany lavitra. Aza mba manadino izay mpitondra anao : Tsara izay ! Tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay izay mpitondra anay. Aza mba manadino ny fivavahanao, Ataovy isan'andro mba hamonjena anao ; Mpitondra, ray, sy reny, ny tany, tena koa, Aza mba manadino ny fivavahanao : Tsara izay ! tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay ny fivavahanay.Sabes cuánta clara estrella Bože, ty si chránil, viedol Приношу Христу сомненья Амар тайвныг танд Niechaj w sercach radość płonie tsbyḥ llrb - ṭryq ạlḥyạẗ Din mormântu-ntunecat qrb yyjy ạlywm يا يسوع ليك كل أيامنا హల్లెలూయా..........హల్లెలూయా
Song not available - connect to internet to try again?