Aza mba manadino ny ray sy reninao ; Fa izy no nitaiza sy nanasoa anao, Ka na aiza na aiza aleha an-tany lavitra, Aza mba manadino ny ray sy reninao : Tsara izay ! tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay ny ray sy reninay. Aza mba manadino ny Tanindrazanao, Tsarovy ny tanàna izay nahabe anao. Fadio izay tsy mety fanaony fahizay. Aza mba manadino ny Tanindrazanao : Tsara izay ! Tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay ny tanindrazanay. Aza mba manadino ireo mpitondra anao, Araho ny lalàna mba hiadananao. Ka na aiza, na aiza aleha an-tany lavitra. Aza mba manadino izay mpitondra anao : Tsara izay ! Tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay izay mpitondra anay. Aza mba manadino ny fivavahanao, Ataovy isan'andro mba hamonjena anao ; Mpitondra, ray, sy reny, ny tany, tena koa, Aza mba manadino ny fivavahanao : Tsara izay ! tsara izay ! Eny, tsy ho hadinonay ny fivavahanay.Radość pienia Киелі Рух күтеміз مين ما كنت มีธารน้ำพุเต็มด้วยโลหิต Прощение Bu dünýä bäş günlük ömür! 摩西爱民如子 Qudaı torǵaılardy qorǵap Yıllarca günahımla durdum Na tvojej strane
Song not available - connect to internet to try again?