Efa hariva, Jeso tia ! Tomoera aminay ; Ny fanahinay tahio, Fa hatory izahay. Fa ny helokay ekenay, Mahavonjy Hianao ; Ny manjo anay lazainay, Fa miantra ny fonao. Alina maharitra ela, Aizi-mampivadi-po, Fa ny olona fidinao Tsy mba takona aminao. Hianao no mitahiry Ny miankina aminao ; Voahodidin'ny anjely Ny mialoka aminao. Raha anio no tapitra andro Izahay mpanomponao, Aoka izahay hifoha Ao an-dapa soanao.RAB'be Güvenenler Fraţilor credinţa noastră s-o păzim Dobroty, lásky plný Padre parla lfyn yạ gẖrbẗ Смерть побеждена موسيقى يا خالق الجميع Туй ḥbk rby byḥyrny Keď Boží Syn
Song not available - connect to internet to try again?