Efa hariva, Jeso tia ! Tomoera aminay ; Ny fanahinay tahio, Fa hatory izahay. Fa ny helokay ekenay, Mahavonjy Hianao ; Ny manjo anay lazainay, Fa miantra ny fonao. Alina maharitra ela, Aizi-mampivadi-po, Fa ny olona fidinao Tsy mba takona aminao. Hianao no mitahiry Ny miankina aminao ; Voahodidin'ny anjely Ny mialoka aminao. Raha anio no tapitra andro Izahay mpanomponao, Aoka izahay hifoha Ao an-dapa soanao.Река Track 4 Il primo posto Ich bet Dich an Allmächtiger Cristo, tu voluntad cumplida صعب عليك أيها الإنسان Мўҳаббатинг ва кўчинг 不是没有家 زي الورداية La mano taladrada
Song not available - connect to internet to try again?