Izahay natao batisa, Voarain'ny Tomponay, Ary efa voaisa Mba ho Zanaky ny Ray ; Voavelany tokoa Ny fahadisoanay ; Nefa mbola mora voa, Mora resy izahay. Na ny asa, na ny teny, Na ny hevitra ao am-po, Mbola tsy madio ireny, Ka diovy Tompo ô ! Mora aminay ny ratsy, Sarotra aminay ny to ; Mba ampio tsy ho resy Izahay, ry Tompo ô ! Raha mbola atý an-tany Izahay izay zanakao, Mba ampio tsy ho lany Ny finoanay Anao. Ry Jesosy Tompo soa, Tano mafy izahay, Mba ho azonay tokoa Izay anjara lovanay.zài zhǔ lǐ T'rang Bintang Fajar Berseri London Bridge is Falling Down Бизга бу кунни هلم نرنم للرب Alǵys Iem Saǵan Взгляни вокруг какая красота لابد يوماً تنتهي Wamwendea Yesu Kwa Kusafiwa Сен қастерлісің, Сен қасиеттісің
Song not available - connect to internet to try again?