Efa velona tokoa Hianao, ry Tomponay ! Ka ny herinao tsy toha No manjaka hatrizay ; Fa ny fasana, ny ota Noresenao avokoa. Tantaraina mba hiely : // 'Zay no tokinay mpanota Tanjakay sy hery koa // Efa velona tokoa Hianao, ry Tomponay ! Lasa nanamboatra koa Fitoerana ho anay : Tany tsy mba misy ota Tsy hidiran'ny manjo ; // Tany soa sy madio Maharavoravo fo // Efa velona tokoa Hianao, ry Tomponay ! Ka misolo vava koa Sy mifona ho anay ; Ny Fanahinao omena, Mba hitari-dalana He ! ny sentonay dia renao, Jeso tena Havana. Efa velona tokoa Hianao, ry Tomponay ! Ary mbola ho avy koa, Avy mba handray anay Maminay, ry Tompo tsara ; Hiara-monina Aminao Eny, tena manan-jara 'Zay mby eo akaikinao.Nothing but Thy blood/St. Oswald Bizge bul kundi شفت معجزاته الرب قريب 神已经立他 qlby ạlkẖfạq Madaqtańdar Qudaıdy! Ben Ölmek üzereyken Lalpa Li'm a Bel ui ! Я знаю одно место на земле
Song not available - connect to internet to try again?