Endrey, izany hafaliana Fa velona aina izahay Tanteraka ny faniriana Ka dera ho Anao, ry Ray ! Atolotray tokoa ny tena Mba ho fanati-tsitrakao, Satria manaiky sy ekena Ho tonga olom-baovao. Ny Tanindrazanay malala, Ry Jeso Tompo, anjakao Hiorina eto, tsy hiala, Ny fiadanana entinao ! Ny aizin'ota anie hisava, Ny fahantrana koa handao Fa ho tarafin'ny Mazava Hanjary tany vaovao. Ny Fiangonanao angony, Fanahy ô, ho tena iray, Ka tsy hizarazara intsony Fa Hianao no mampiray, Dia ho fanasina, fanilo, Ho an'izao tontolo izao ; Hijoro, tsy handraraka ilo, Hitafy toetra vaovao.Spala-mi Doamne gândul gǎn xiè tiān fù gěi wǒ men shí jiān Есүс бидний Хаан Il sogno di Giacobbe ٴمولدىر اققان سۋداي ٴومىر بەردىڭ سەن ạskn tḥt ẓl jnạḥyk Ježiš, Ty si ma poznal 人生在世 Je le reconnais Ordu İlə yox
Song not available - connect to internet to try again?