Endrey, izany hafaliana Fa velona aina izahay Tanteraka ny faniriana Ka dera ho Anao, ry Ray ! Atolotray tokoa ny tena Mba ho fanati-tsitrakao, Satria manaiky sy ekena Ho tonga olom-baovao. Ny Tanindrazanay malala, Ry Jeso Tompo, anjakao Hiorina eto, tsy hiala, Ny fiadanana entinao ! Ny aizin'ota anie hisava, Ny fahantrana koa handao Fa ho tarafin'ny Mazava Hanjary tany vaovao. Ny Fiangonanao angony, Fanahy ô, ho tena iray, Ka tsy hizarazara intsony Fa Hianao no mampiray, Dia ho fanasina, fanilo, Ho an'izao tontolo izao ; Hijoro, tsy handraraka ilo, Hitafy toetra vaovao.قد علمتني النعمةُ أحيا Cada instante del vivir Ўтар ўмрим менинг , кетар ўмрим менинг Doxology Vie Pán, čo pre mňa dobré je วันเปรมปรีดิ์ Leone della tribù di Giuda Boże, coś Polskę City On Our Knees ạ̹nt kl ạḥtyạjy
Song not available - connect to internet to try again?