Endrey ny voninahitrao Ry Ray Tsitoha ô ! Endrey ny fiandriananao Hajainay eram-po. Ny herinao, ny andronao, Dia mandrakizay ! Ny lanitra mitsaoka Anao Ry Andriamanitray. Ny tavanao mamiratra Ny fahamasinanao Sy hery tapitr'ohatra Ny fahendrenao soa. Endrey, matahotra aho izao, Ry Tompo Masina ô ! Mangovitra eo imasonao Sao dia lavinao. Na dia ambony Hianao, Dia nidina amiko Nitondra fihavanana, Ka dia mba tiako. Koa aiza re no misy ray Mitovy Aminao : Mikarakara tsara anay Izay natsanganao. O, mahagaga Hianao, Ry Tompo tia anay, Ny fonay dia hatoky Anao Ambara-podinay.Szívem legmélyéből Танръ'нън Чоджукларъйъз Mesih'in Sevgisi Бизга Раббим Bi Çepika Xelkê Xuda hạʿysẖ ạ̉ḥbk Твоя любовь как море ئەركىن، ئەركىن، مەن ئەركىن Миний хоньчин Il desiderio del mio cuore
Song not available - connect to internet to try again?