Endrey ny voninahitrao Ry Ray Tsitoha ô ! Endrey ny fiandriananao Hajainay eram-po. Ny herinao, ny andronao, Dia mandrakizay ! Ny lanitra mitsaoka Anao Ry Andriamanitray. Ny tavanao mamiratra Ny fahamasinanao Sy hery tapitr'ohatra Ny fahendrenao soa. Endrey, matahotra aho izao, Ry Tompo Masina ô ! Mangovitra eo imasonao Sao dia lavinao. Na dia ambony Hianao, Dia nidina amiko Nitondra fihavanana, Ka dia mba tiako. Koa aiza re no misy ray Mitovy Aminao : Mikarakara tsara anay Izay natsanganao. O, mahagaga Hianao, Ry Tompo tia anay, Ny fonay dia hatoky Anao Ambara-podinay.Príď, Duch svätý, z výšin k nám 主每当我思想你 myn gẖyrk Duchu Svätý, príď z neba Mifaly tokoa ny foko izao Ыйса өзгөргөн жок Der heute noch Berge versetzt L'amour du Sauveur هافرح بيك يا إلهي Un arca abierta
Song not available - connect to internet to try again?