Fanavaozana izay mahagaga tokoa Nomen'i Jeso ahy re ! Fahazavan'ny fanahy izay mahafa-po Nomen'i Jeso ahy re ! // Hatramin'izao dia endrey, endrey // Ny fitempon'ny foko izay ravo tokoa Onenan'ny Tompo Jeso. Ny fiainako be siasia taloha Voaova mihitsy izao Eny, ny fahotako, izay nahavoa Voasasany koa izao, // Hatramin'izao, ..sns. // Ny finoako, ny fanantenako dia be Ny tokiko fatratra koa Ny fisalasalana dia levona re, Ny saiko mandroso ho soa. // Hatramin'izao, ..sns. // Tonga mamirapiratra fatratra erý Ny aloky ny faty re ! Ka dia tsinjoko ilay vavahady arý Mankao an-tanàn-dehibe // Hatramin'izao, ..sns. // Tsy miato, mizotra mankany tokoa Ny diako hatramin'izao Hovantaniko any Ilay Tompo soa Jesosy malala no ao. // Hatramin'izao, ..sns. //Как сладостны для нас ạ̉skn tḥt ẓl jnạḥyk Dziś jest czas اصنع بنا نهضتك Проведи fyh wạḥd byḥbk Spirit And The Bride Uitstap: Who You say I am HIKA AH KA UM, KA THLAH Görkemin İçin Yaşıyorum
Song not available - connect to internet to try again?