Fandalovana atý, Lanitra honenako ; Efitra izao tany izao, Lanitra honenako ; Voahodidin-doza atý, Reraka ao an-dalana, Valaka sy sasatra ; Lanitra honenako. Na mandrivotra aza atý, Lanitra honenako ; Tany no hilaozako, Lanitra honenako ; Alon-dranomasina Sy ny rian-drano be Tsy hisakan-dalana ; Lanitra honenako. Ao an-tratran'i Jeso, Lanitra honenako ; Afa-pahoriana Lanitra honenako ; Ao ny olo-masina Izay mba tiako tatý, Faly raha hitako ; Lanitra honenako. Dia tsy halahelo aho, Lanitra honenako ; Mafy ny manjo atý, Lanitra honenako ; Ao no hitoerako Faly anatrehan-dRay, Ao homeny toerana ; Lanitra honenako.Kezektep jyldar attanyp, ótýde kún asyǵyp bkl mḥbẗ fy qlbk Hai Jangan 'Kau Ratapi Dia sẖkwn ạ̉nạ yạrby mhmạ ṭạl ạlzmạn Ионафан был друг Давиду yạ ṣạḥb ạlḥnạn nà rì tiān shàng de xīng xīng yào zhuì luò Ubangiji Yesu, Ina Roƙonka Open Heaven (River Wild)
Song not available - connect to internet to try again?