Finaritra ny manome Ireo mahantra maro be, Ka mahafoy fananana Hiantra ny tsy manana. Izao no asa mahasoa Izay manendrika tokoa ; Ny manome an-tsitrapo Hitsinjo olona ory fo. Ry olon'Andriamanitra ! Mba mihetseha fatratra Hamonjy sy hanafaka, Hanampy ireo madinika. Izay mamonkin-tanana Malain-kiantra namana, Izay mihirim-belona Tsy hanam-piadanana. Ny vola izay nafoinao Dia tsy mba very foana izao, Fa ny mahantra no mandray, Ka lasan'i Jehovah Ray, Ireo kamboty mba vangio, Mpitondratena mba jereo ; Izao no fivavahana Izay madio sy masina.Rab Güvenilirdir دي حياة جديدة Արդարի Ճամփան Senza il suo amore Sina Вот она любовь في يوم من الأيام فى بستان Viem, príde prebudenie HOLD THE FORT If God Himself Be For Me
Song not available - connect to internet to try again?