Finaritra ny manome Ireo mahantra maro be, Ka mahafoy fananana Hiantra ny tsy manana. Izao no asa mahasoa Izay manendrika tokoa ; Ny manome an-tsitrapo Hitsinjo olona ory fo. Ry olon'Andriamanitra ! Mba mihetseha fatratra Hamonjy sy hanafaka, Hanampy ireo madinika. Izay mamonkin-tanana Malain-kiantra namana, Izay mihirim-belona Tsy hanam-piadanana. Ny vola izay nafoinao Dia tsy mba very foana izao, Fa ny mahantra no mandray, Ka lasan'i Jehovah Ray, Ireo kamboty mba vangio, Mpitondratena mba jereo ; Izao no fivavahana Izay madio sy masina.Възвести любов Христова 主施恩的手从没有收回 Jesús entraste en Caná О смерть Где скажи твое жало rèn shì shén hé děng méng fú Rischiare ogni cosa Uzakta Olsan da Кружится и падает лист На Скрижалях Сердца Pán Ježiš ťa volá k sebe
Song not available - connect to internet to try again?