Tsy ho toy izao, Jesoa Ity mpanomponao Raha toa tsy tao tokoa ny fahasoavanao 'Zay nanohana 'lay hery kely tao am-poko Nahazoako mba nanao Ny asam-panompoako! Indro fa havaoziko ry Jesoa 'Lay voady miorina ao am-po Ny andro ivelomako 'Zay omenao iainako Dia atokako sy mbola hitoriako ilay fitiavanao! Ny asa izay natao,Jesoa, Dia tsapako ao am-po Fa tsy dia toy inona sy bitika tokoa Nefa na izany aza dia inoako koa Fa 'zay kely vitako hitera-boka-tsoa. Indro fa havaoziko ry Jesoa sns... Na ho lava na ho fohy Ny androko ety 'Zaho dia irakao, ry Jesoa Tompo be fitia! Ka ilay fitiavanao miorim-paka anaty No hanafy herim-pitokiana mandra-maty! Indro fa havaoziko ry Jesoa sns...Chiedete e vi sarà dato باۋىرىم بەت بۇرايىق 你是以马内利 jạy lʿndk Времена года Ti loderò Давайте восхвалим Бога любимого Если б обладал я всей Вселенной Кудай биз менен Crucea-i ascultarea Domnului Isus
Song not available - connect to internet to try again?