He, dera, laza, hery, Anao, Jeso ô ! Ny zaza no hilaza Ny voninahitrao Hianao Mpanjaka tia, Hianao no Tomponay Izay tonga ho Mpamonjy Sy ho Mpisolonay. He, dera, laza, hery, Anao, ry Jeso ô ! Ny zaza no hilaza Ny voninahitrao. Midera Anao, ry Jeso ! Anjely marobe Ka izahay an-tany Ta hankalaza Anao, Toy izay nataon'ny zaza Izay tao Jerosalema, Nitondra ny rofia Ho fanajana Anao. He, dera, ..sns. Raha mbola tsy nijaly Hianao, ry Tompo ô ! Nidera Anao ny zaza, Ka faly Hianao ; Koa mbola hoderaina Hianao ankehitrio, Ry Jeso Tompo tia ! Mandrakizay doria. He, dera, ..sns.واحد في حياتي Твоя любов немов ріка О МОЩЕН БОГ На год старше стал Повний благості, повний радості ạ̹sẖạrẗ nạṭr mn ạllh Я сдаюсь Бог в объятия لا لا تتركني وحدي گِل، واقت بُلدی، آلقیشلامانا Словом всё сотворено
Song not available - connect to internet to try again?