He, lasa izao ny malala ! Nifindra ao an-dapan'ny Ray ; Isika rehefa miala, Ho faly hahita azy indray, Isika izao mitomany, Iharan'ny mafy manjo ; // Jesosy mahita izany, Ka Izy hanony ny fo // Matetika re ny mangidy Avela hihatra aminao, Ka aoka mba tsy hanadidy, Fa feon'ny Tompo izao, Ny zanaka tian'ny rainy Tsy maintsy anariny re ! // Izay mahasoa ataony, Ombam-pitiavana be // Ny fo mora kivy ario, Fa tsy mba hanary ny Ray ; Ny mamy tsy hita anio Haposany rahatrizay, Hofaohiny ny ranomaso, Soloam-pifaliana be ; // Ny toky omeny andraso, Fa ho tanterahiny re ! //rby ạ̹ny ạ̉ḥmdk أتي إليك حبيبي Рəббимиз Аллаһымыз Прости врагу тебе простится Я всегда хочу хвалить Иисуса имя В школе Божьей мы только дети rjạʾ nfsy wḥdh Isanyň gany تشهد حياتي Luchando por Cristo
Song not available - connect to internet to try again?