He, tonga ho antsika Ny Tompo mora fo, Mpamonjy, Havantsika, Ilay mamindra fo ; Andeha mba hifaly Isika, ry zareo ! Nahazo Mpampifaly, Ka manandrata feo Hajao ny Tompontsika, Mpanjaka lehibe, Andriamanitsika, Mpanala rofy be ; Avia mba hidera, Ry mino tsara fo ! Avia manatera Ny saotra ao am-po. Ry Tompo Zanahary ! Mihira izahay, Fa teny mahafaly No tonga ho anay ; Ny andro famonjena No andro sitrakay ; Fanahy manantena No ifalianay. Ry Tomponay ! mandraisa Ny haja entinay ; Tsy volamena anefa, Fa saotra aterinay ; Ry Jeso Tompo soa ! Isaoranay Hianao, Fa lehibe tokoa Ny fitiavanao.No dudes, cristiano tkfyk nʿmty تعليق 2 Ożywcze źródło tryska Il Tuo immenso amore Япамаздък Биз An Chisʋs ʋt ʋba yakni Ба пайравии таронаи 23 дар китоби Забур dh yswʿ dh gẖạly Desidero adorarti
Song not available - connect to internet to try again?