He, tonga ho antsika Ny Tompo mora fo, Mpamonjy, Havantsika, Ilay mamindra fo ; Andeha mba hifaly Isika, ry zareo ! Nahazo Mpampifaly, Ka manandrata feo Hajao ny Tompontsika, Mpanjaka lehibe, Andriamanitsika, Mpanala rofy be ; Avia mba hidera, Ry mino tsara fo ! Avia manatera Ny saotra ao am-po. Ry Tompo Zanahary ! Mihira izahay, Fa teny mahafaly No tonga ho anay ; Ny andro famonjena No andro sitrakay ; Fanahy manantena No ifalianay. Ry Tomponay ! mandraisa Ny haja entinay ; Tsy volamena anefa, Fa saotra aterinay ; Ry Jeso Tompo soa ! Isaoranay Hianao, Fa lehibe tokoa Ny fitiavanao.Чашмамро кушо Nejkrásnější chvíle Libertà Chválu vzdejte, vyzpívejte جەر بەتىنە ساۋلە توككەن Un chrétien je voudrais être Tak mnoho práce je vôkol nás الأجران Great Is the Lord كل ما في بيعلن
Song not available - connect to internet to try again?