Henoy, ry Jeso Tompo ! Ny fitarainanay, Fa amin'alahelo No ipetrahanay ; Ny fonay maniry Hitovy aminao, Kanefa be ny ratsy Masakana anay ? Nateraky ny nofo, Ka nofo izahay ; Nanompo tompo ratsy, Ka very hatrizay ! Ny razanay nanota Ka nodimbiasànay Ry Tomponay Tsitoha, Havaozy izahay ! Ny asam-pamonjena Natolotra Anao; Tsy hisy tsy ho vita Izay natombokao ; Raha resy avokoa Ny fahavalonao Hiposaka tokoa Ny tena taom-baovao ! Ny tavanao malala, Ry Jeso Tomponay, Ho tena masoandro, Izay hifalianay. Ry nosatrohan-tsilo, Faingàna Hianao, Hanangana ny maty, Hitondra aim-baovao !ạ̉nạ frḥạn rgẖm ạldmʿ Mba henoy ny feon'i Jeso ạ̉nạ lsh ṣgẖyr tiān fù wǒ shì nǐ de hái zi Gente venite Подобного нет Слово Благодати يا ملك السلام Больше больше любви Больше ласковых слов Iata-L peste dealuri
Song not available - connect to internet to try again?